<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>657</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Lasa re ilay nazoto,
 Nody ao an-tany soa,
 Izay nanompo tamin-joto
 Ka nahefa be tokoa,
 // Indro, faly //
 Fa mijinja voka-tsoa.

[V2]
 Lasa nody fa voantso :
 &quot;Miakara&quot;, hoy ny Ray,
 Ka fafao ny ranomaso,
 Jeso Tompo no mandray.
 // Faly, ravo //
 Fa tafakatra ao tokoa.

[V3]
 Lasa re ilay nihafy
 Ory tena, be nanjo,
 Fa nanohitra ady mafy,
 Nefa mba nahery fo.
 // Ka nandresy //
 Fahavalo maro be.

[V4]
 Afaka ady ka mifaly,
 Fa tsenaina hatratý ;
 Afaka ota, afa-jaly,
 Ka mihoby hatrarý.
 // Hoy ny Tompo //
 &quot;Mandrosoa, ka mifalia&quot;.</lyrics>
<title>Lasa re ilay nazoto FFPM657</title>
</song>